1 Samuel 23:11 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Koa moa ny mpitondra atỳ Keila va hanolotra ahy ho eo an-tanany? Hidina etỳ tokoa toy izay efa ren’ny mpanomponao va i Saoly? Ry TOMPO, Andriamanitry ny Israely ô, mifona aminao aho, ambarao amin’ny mpanomponao. Ary hoy NY TOMPO: Hidina izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ka moa hatolotry ny mponina eto Keilà eo an-tanany va aho? Ary moa hidina va i Saola araka ny ren’ny mpanomponao? Ho sitrakao anie ny hanambara izany amin’ny mpanomponao, ry Iaveh Andriamanitr’i Israely!» Dia hoy i Iaveh namaly: «Hidina izy.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Moa hanolotra ahy eo an-tanany ve ny manampahefana eto Kehilà? Ary ho avy amiko araka ny reko tokoa ve i Saoly? Mba valio re, ry TOMPO Andriamanitr’i Israely ô! Ka hoy ny navalin’ny TOMPO azy: –Eny, ho avy tokoa izy.
Malagasy Bible 1865
Ka moa ny mponina etỳ Keila hanolotra ahy ho eo an-tànany va? Hidina etỳ va Saoly toy ny efa ren'ny mpanomponao? Ry Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely ô, mifona aminao aho, ambarao amin'ny mpanomponao. Ary hoy Jehovah: Hidina izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Koa moa ny mpitondra atỳ Keila va hanolotra ahy ho eo an-tanany? Hidina etỳ tokoa toy izay efa ren’ny mpanomponao va i Saoly? Ry TOMPO, Andriamanitry ny Israely ô, mifona aminao aho, ambarao amin’ny mpanomponao. Ary hoy NY TOMPO: Hidina izy.
malagasy