1 Samuel 23:13 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia niainga i Davida sy ny olony tokony ho eninjato lahy ka niala tao Keila ary nandeha tamin’izay azony naleha. Ary nisy nilaza tamin’i Saoly fa efa nandositra niala tao Keila i Davida, dia nijanona tsy nandeha izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia niainga i Davida sy ny olony, sahabo ho enin-jato lahy, ka niala tao Keilà, ka dia nandeha nankatsỳ nankarỳ nanao anjoanjo tany. Nony ren’i Saola fa hoe nandositra niala tao Keilà i Davida dia niato tsy nandeha izy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia niainga nandao an’i Kehilà i Davida sy ny olony miisa ho eninjato lahy, ary nandeha tamin’ny lalana anjoanjo. Rehefa ren’i Saoly fa nandositra niala tao Kehilà i Davida, dia najanony ny dia.
Malagasy Bible 1865
Ary dia niainga Davida sy ny olony tokony ho enin-jato lahy ka niala tao Keila ary nandeha tamin'izay azony naleha. Ary nolazaina tamin'i Saoly fa efa nandositra niala tao Keila Davida, dia nijanona tsy nandeha izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia niainga i Davida sy ny olony tokony ho eninjato lahy ka niala tao Keila ary nandeha tamin’izay azony naleha. Ary nisy nilaza tamin’i Saoly fa efa nandositra niala tao Keila i Davida, dia nijanona tsy nandeha izy.
malagasy