1 Samuel 23:14 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nitoetra tany an-tany efitra tao amin’ny fierena any an-tendrombohitra sy tany amin’ny havoana tany an-tany efitr’i Zifa i Davida. Nitady azy isanandro i Saoly, nefa Andriamanitra tsy nanolotra azy ho eo an-tanany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nonina tany an’efitra i Davida tao amin’ny fitoerana mimanda, dia nitoetra tao amin’ny tendrombohitra amin’ny efitr’i Zifa. Nitady azy isan’andro i Saola, fa tsy natolotr’Andriamanitra teo an-tanany izy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nijanona tany an-taniefitra tao amin’ny toerana be harambato i Davida, ary nonina tany amin’ny havoan’ny taniefitr’i Zifa. Nitady azy isan’andro i Saoly, kanefa tsy navelan’Andriamanitra hatolotra eo an-tanany i Davida.
Malagasy Bible 1865
Ary Davida nitoetra tany an-efitra tao amin'ny batery fiarovana sy nitoetra tany amin'ny tany havoana tany an-efitr'i Zifa. Ary Saoly nitady azy isan'andro, fa Andriamanitra tsy nanolotra azy ho eo an-tànany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nitoetra tany an-tany efitra tao amin’ny fierena any an-tendrombohitra sy tany amin’ny havoana tany an-tany efitr’i Zifa i Davida. Nitady azy isanandro i Saoly, nefa Andriamanitra tsy nanolotra azy ho eo an-tanany.
malagasy