1 Samuel 23:15 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hitan’i Davida fa nivoaka hitady ny ainy i Saoly. Tany an-tany efitr’i Zifa tany Horsa no nisy an’i Davida.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fantatr’i Davida fa niainga niantafika hanala ny ainy i Saola ary i Davida nitoetra tao amin’ny efitr’i Zifa, any anaty ala.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hitan’i Davida fa niainga hiantafika mba hifofo ny ainy i Saoly, ka dia nijanona tao Hôresa tany an-taniefitr’i Zifa izy.
Malagasy Bible 1865
Ary hitan'i Davida fa Saoly nivoaka hitady ny ainy; fa Davida dia tany an-efitr'i Zifa tany anaty ala.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hitan’i Davida fa nivoaka hitady ny ainy i Saoly. Tany an-tany efitr’i Zifa tany Horsa no nisy an’i Davida.
malagasy
[Ny nitoeran'i Davida tany an-efitr'i Zifa sy Maona, ary ny hevitra nataon'ny Zifita hahazoan'i Saoly azy] Ary hitan'i Davida fa Saoly nivoaka hitady ny ainy; fa Davida dia tany an-efitr'i Zifa tany anaty ala.