1 Samuel 23:17 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia hoy izy taminy: Aza matahotra, fa tsy hahazo anao ny tanan’i Saoly raiko; fa ianao no ho mpanjaka amin’ny Israely, ary izaho no ho lefitrao, ary fantatr’i Saoly raiko koa izany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
«Aza matahotra fa ny tanan’i Saola raiko tsy hahazo anao. Ianao hanjaka amin’i Israely, ary izaho no ho lefitrao manaraka anao, fantatr’i Saola raiko tsara izany».
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hoy izy tamin’i Davida: –Aza matahotra fa tsy hahazo anao akory ny tanan’i Saoly raiko. Ianao no ho mpanjakan’i Israely fa izaho kosa ho lefitrao; ary na i Saoly raiko aza dia mahalala tsara izany!
Malagasy Bible 1865
Ary hoy izy tamin'i Davida: Aza matahotra, fa tsy hahazo anao ny tànan'i Saoly raiko; fa ianao no ho mpanjaka amin'ny Isiraely, ary izaho no hanarakaraka anao, ary fantatr'i Saoly raiko koa izany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia hoy izy taminy: Aza matahotra, fa tsy hahazo anao ny tanan’i Saoly raiko; fa ianao no ho mpanjaka amin’ny Israely, ary izaho no ho lefitrao, ary fantatr’i Saoly raiko koa izany.
malagasy
Ary hoy izy tamin'i Davida: Aza matahotra, fa tsy hahazo anao ny tànan'i Saoly raiko; fa ianao no ho mpanjaka amin'ny Isiraely, ary izaho no hanarakaraka anao, ary fantatr'i Saoly raiko koa izany.