1 Samuel 23:19 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Niakatra nankany amin’i Saoly tany Gibea ny Zifita ka niteny hoe: Miery any aminay ao amin’ny fierena any an-tendrombohitra any Horsa, any amin’ny tany be havoana any Hakila izay atsimon’ny tany efitra, i Davida.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary niakatra nankany amin’i Saola tany Gabaà, ny Zifianina, ka nilaza hoe: «Miery any aminay i Davida ao amin’ny fitoerana mimanda any an’ala, amin’ny havoan’ny Hakilà, atsimon’ny tany lava volo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nankany amin’i Saoly tany Gibehà ny mponin’i Zifa ka nanao taminy hoe: –Moa tsy fantatrao fa i Davida anie ka miafina any aminay ao amin’ny toerana be harambato any Hôresa, any amin’ny havoanan’i Hakilà eo atsimon’ny faritra be lobolobo?
Malagasy Bible 1865
Ary niakatra nankany amin'i Saoly tany Gibea ny Zifita ka nanao hoe: Tsy miery any aminay ao amin'ny batery fiarovana any an'ala, any amin'ny havoana Hakila, izay atsimon'ny efitra, va Davida?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)

malagasy
Ary niakatra nankany amin'i Saoly tany Gibea ny Zifita ka nanao hoe: Tsy miery any aminay ao amin'ny batery fiarovana any an'ala, any amin'ny havoana Hakila, izay atsimon'ny efitra, va Davida?