1 Samuel 23:22 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Miangavy anareo aho, mandehana, fotory tsara indray ka fantaro tsara ny nalehany, ary hadihadio izay nahita azy tany fa tena fetsy, hono, izy iny.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary miangavy anareo aho, mandehana tilio tsara indray aloha, fantaro ka zahao avokoa ny toerana alehany sy ny olona nahita azy tao, fa konjolahy anie izy izay, hono!
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Koa mandehana indray ianareo, dia alaivo antoka sy fantaro tsara izay toerana marina misy azy sy izay nahita azy tany, fa tena fetsy lahy hono izy izany.
Malagasy Bible 1865
Masìna ianareo, mandehana, hevero indray, ka tsongoy tsara ny diany, ary fantaro izay nahita azy tany; fa manao saina lalina dia lalina, hono, izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Miangavy anareo aho, mandehana, fotory tsara indray ka fantaro tsara ny nalehany, ary hadihadio izay nahita azy tany fa tena fetsy, hono, izy iny.
malagasy
Masìna ianareo, mandehana, hevero indray, ka tsongoy tsara ny diany, ary fantaro izay nahita azy tany; fa manao saina lalina dia lalina, hono, izy.