1 Samuel 23:24 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia niainga nankany Zifa izy ireo hialoha an’i Saoly. I Davida sy ny olony kosa tamin’io dia tany amin’ny tany efitr’i Maona, tao amin’ny tany ngazana atsimon’ny tany efitra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Koa dia niainga ireo nankany Zifa hialoha an’i Saola. Fa i Davida sy ny olony izany efa nankany amin’ny efitr’i Maona, amin’ny tany lemaka, atsimon’ny tany lava volo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia lasa nankany Zifa nialoha an’i Saoly izy ireo, fa i Davida sy ny olony kosa dia tao amin’ny taniefitr’i Mahôna, amin’ny lemaka eo atsimon’ny faritra be lobolobo.
Malagasy Bible 1865
Dia niainga nankany Zifa ireo hialoha an'i Saoly; fa Davida sy ny olony dia tany amin'ny efitr'i Maona, tamin'ny tani-hay atsimon'ny efitra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia niainga nankany Zifa izy ireo hialoha an’i Saoly. I Davida sy ny olony kosa tamin’io dia tany amin’ny tany efitr’i Maona, tao amin’ny tany ngazana atsimon’ny tany efitra.
malagasy
Dia niainga nankany Zifa ireo hialoha an'i Saoly; fa Davida sy ny olony dia tany amin'ny efitr'i Maona, tamin'ny tani-hay atsimon'ny efitra.[Heb. Arabà]