1 Samuel 23:25 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary nandeha i Saoly sy ny olony mba hitady azy. Nisy nilaza tamin’i Davida izany ka nidina tany amin’ny harambato izy ary nitoetra tany an-tany efitr’i Maona. Nony ren’i Saoly izany dia nanenjika an’i Davida tany an-tany efitr’i Maona izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary niainga i Saola sy ny olony hikaroka. Nony nandre izany i Davida dia nidina tao amin’ny haram-bato, ka nitoetra teo an’efitr’i Maona i Davida. Nandre izany i Saola, dia nanenjika an’i Davida tany amin’ny efitr’i Maona.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Niainga i Saoly sy ny miaramilany hitady an’i Davida. Raha nandre izany i Davida, dia nitsontsorika nidina ny harambato ka nijanona tao amin’ny taniefitr’i Mahôna. Rehefa fantatr’i Saoly izany dia nanenjika an’i Davida hatrany koa izy.
Malagasy Bible 1865
Ary nandeha Saoly sy ny mpanompony hitady azy. Ary nolazaina tamin'i Davida izany, ka dia nidina tany amin'ny harambato izy ka nitoetra tany an-efitr'i Maona. Ary nony ren'i Saoly izany, dia nanenjika an'i Davida tany an-efitr'i Maona izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary nandeha i Saoly sy ny olony mba hitady azy. Nisy nilaza tamin’i Davida izany ka nidina tany amin’ny harambato izy ary nitoetra tany an-tany efitr’i Maona. Nony ren’i Saoly izany dia nanenjika an’i Davida tany an-tany efitr’i Maona izy.
malagasy