1 Samuel 23:26 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary nandeha tamin’ny ilan’ny tendrombohitra iray i Saoly fa i Davida sy ny olony kosa dia tamin’ny ilany. Niezaka mafy handositra an’i Saoly i Davida fa i Saoly sy ny olony dia nihodidina an’i Davida sy ny olony mba hisambotra azy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
I Saola moa nandeha tamin’ny ilan’ny tendrombohitra iray, i Davida sy ny olony kosa tamin’ny ilan’ny tendrombohitra iray. Niezaka i Davida mba tsy ho tratran’i Saola, ka i Saola sy ny olony kosa nanodidina an’i Davida sy ny olony hisambotra azy ireo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tamin’ny lafiny ilan’ny tendrombohitra no nandehanan’i Saoly, fa i Davida sy ny olony kosa nandroso tamin’ny lafiny iray hafa. Nohafainganin’i Davida ny diany mba tsy hahazoan’i Saoly azy, satria ny mpanjaka sy ny olony efa manodidina vonon-kisambotra an’i Davida sy ny namany.
Malagasy Bible 1865
Ary Saoly nandeha tamin'ny ilan'ny tendrombohitra iray, fa Davida sy ny olony tamin'ny ilany kosa; ary niezaka mafy handositra Davida noho ny tahony an'i Saoly; fa Saoly sy ny olony saiky nahodidina an'i Davida sy ny olony hisambotra azy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary nandeha tamin’ny ilan’ny tendrombohitra iray i Saoly fa i Davida sy ny olony kosa dia tamin’ny ilany. Niezaka mafy handositra an’i Saoly i Davida fa i Saoly sy ny olony dia nihodidina an’i Davida sy ny olony mba hisambotra azy.
malagasy