1 Samuel 23:27 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Kinanjo nisy iraka tonga tao amin’i Saoly niteny hoe: Avia haingana ianao fa efa manafika ny tany ny Filistina.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia inty nisy iraka anankiray tonga nanatona an’i Saola nanao hoe: «Avia faingana ianao fa mananika ny tany ny Filistinina!» Ka natsahatr’i Saola ny fanenjehana an’i Davida, ka lasa hifanena amin’ny Filistinina izy. Izany no nanaovana io toerana io hoe Sela-Hamaklekôty.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa nisy iraka iray tonga nilaza tamin’i Saoly hoe: –Faingàna ianao fa manafika ny tanin’i Israely ny Filistinina.
Malagasy Bible 1865
Dia nisy iraka tonga tao amin'i Saoly nanao hoe: Avia haingana ianao, fa ny Filistina efa manafika ny tany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Kinanjo nisy iraka tonga tao amin’i Saoly niteny hoe: Avia haingana ianao fa efa manafika ny tany ny Filistina.
malagasy
Dia nisy iraka tonga tao amin'i Saoly nanao hoe: Avia haingana ianao, fa ny Filistina efa manafika ny tany.Dia niverina Saoly tamin'ny nanenjehany an'i Davida ary nandeha niady tamin'ny Filistina; ary ny anaran'izany tany izany dia nataony hoe: Sela-hamalekota.[Sela-hamalekota = Harambato fandosirana]