1 Samuel 23:5 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia lasa nankany Keila i Davida sy ny olony ka niady tamin’ny Filistina sy namabo ny andiam-bibiny sady nahafaty olona be dia be, ary voavonjin’i Davida ny mponina tao Keila.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia nandeha i Davida nankany Keilà niaraka tamin’ny olona momba azy, ka niady tamin’ny Filistinina. Nahorony ny biby fiompiny, ary nandresy azy mafy dia mafy izy. Izany no namonjeny ny mponina tao Keilà.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Lasa nankany Kehilà i Davida sy ny olony ary notafihiny ny Filistinina. Nentiny an-kery ny biby fiompiny, ka faharesena tsy nisy toy izany no nahazo azy ireo. Izany no nanafahan’i Davida ny mponin’i Kehilà.
Malagasy Bible 1865
Dia lasa Davida sy ny olony nankany Keila ary niady tamin'ny Filistina ka namabo ny ombiny sady nahafaty olona be dia be. Ary dia voavonjin'i Davida ny mponina tao Keila.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia lasa nankany Keila i Davida sy ny olony ka niady tamin’ny Filistina sy namabo ny andiam-bibiny sady nahafaty olona be dia be, ary voavonjin’i Davida ny mponina tao Keila.
malagasy
Dia lasa Davida sy ny olony nankany Keila ary niady tamin'ny Filistina ka namabo ny ombiny sady nahafaty olona be dia be. Ary dia voavonjin'i Davida ny mponina tao Keila.