1 Samuel 23:7 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nisy nanambara tamin’i Saoly fa tonga tao Keila i Davida. Dia hoy i Saoly: Andriamanitra efa hanolotra azy ho eo an-tanako; efa voahidy izy izao satria tafiditra ao amin’ny tanàna misy vavahady mihidy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nisy nilaza tamin’i Saola fa hoe nankany Keilà i Davida, ka hoy i Saola hoe: «Natolotr’Andriamanitra eo an-tanako izy, fa nanao izay mahatafahidy azy izy nankany amin’ny tanàna misy vavahady sy hidiny».
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Vao fantatr’i Saoly fa tafiditra tao Kehilà i Davida, dia hoy izy hoe: –Efa natolotr’Andriamanitra eto an-tanako izy, fa namandri-tena niditra an-tanàna mihidy vavahady.
Malagasy Bible 1865
Ary nambara tamin'i Saoly fa tonga tao Keila Davida. Dia hoy Saoly: Andriamanitra efa nanolotra azy ho eo an-tanako, satria efa voahidy izy izao noho ny nidirany amin'ny tanàna misy vavahady mihidy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)

malagasy
Ary nambara tamin'i Saoly fa tonga tao Keila Davida. Dia hoy Saoly: Andriamanitra efa nanolotra azy ho eo an-tanako, satria efa voahidy izy izao noho ny nidirany amin'ny tanàna misy vavahady mihidy.