1 Samuel 23:8 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary namory ny vahoaka rehetra i Saoly mba hidina any Keila hanao fahirano an’i Davida sy ny olony.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ka nantsoin’i Saola ny olona rehetra hiantafika hidina any Keilà sy hanao fahirano an’i Davida sy ny olony.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nohetsehin’i Saoly ny tafika manontolo hidina any Kehilà mba hanao fahirano an’i Davida sy ny olony.
Malagasy Bible 1865
Ary Saoly namory ny olona rehetra hidina hankany Keila hanafika ka hanao fahirano an'i Davida sy ny olony.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary namory ny vahoaka rehetra i Saoly mba hidina any Keila hanao fahirano an’i Davida sy ny olony.
malagasy
Ary Saoly namory ny olona rehetra hidina hankany Keila hanafika ka hanao fahirano an'i Davida sy ny olony.