1 Samuel 24:11 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Indro, hitan’ny masonao androany ny nanoloran’NY TOMPO anao ho eo an-tanako, tao an-johy; ary nisy nilaza hevitra hamonoana anao, saingy niantra anao aho ka hoy aho: Tsy hanatsotra ny tanako amin’ny tompoko aho, fa voahosotry NY TOMPO izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Kanefa indro nahita maso ianao androany izay nanoloran’i Iaveh anao teo an-tanako androany tao an-johy, ka ny olona nilaza tamiko mba hamono anao. Nefa namindra fo taminao aho, fa hoy izaho: Tsy haninjitra ny tanako amin’ny tompoko aho, fa voahosotr’i Iaveh izy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Kanefa ny masonao mihitsy no mahita androany, fa ny TOMPO efa nanolotra anao ho eo am-pelatanako tao an-johy. Nasain’ny olona hovonoin-ko faty ianao, nefa niantra anao aho, fa hoy aho hoe: Tsy haninji-tanana amin’ny mpanjakako aho, satria ny TOMPO no efa nifidy anao ho mpanjaka.
Malagasy Bible 1865
Indro, hitan'ny masonao androany ny nanoloran'i Jehovah anao ho eo an-tanako tao an-johy; ary nisy nilaza hevitra hamonoana anao, saingy niantra anao ny masoko, ka hoy izaho: Tsy haninjitra ny tanako amin'ny tompoko aho, fa voahosotr'i Jehovah izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Indro, hitan’ny masonao androany ny nanoloran’NY TOMPO anao ho eo an-tanako, tao an-johy; ary nisy nilaza hevitra hamonoana anao, saingy niantra anao aho ka hoy aho: Tsy hanatsotra ny tanako amin’ny tompoko aho, fa voahosotry NY TOMPO izy.
malagasy