1 Samuel 24:12 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary izao koa, ry Ikaky ô! Mba jereo tsara ange ny sisin’ny akanjobenao ivelany fa etỳ an-tanako; koa raha nanapaka ny sisin’ny akanjobenao ivelany aho nefa tsy namono anao dia fantaro ka jereo fa tsy misy faharatsiana na fahadisoana amin’ny tanako, ary tsy nanota taminao aho, nefa ianao kosa dia mihaza ny aiko mba hahazo azy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Jereo kely ange, ry ikaky, jereo ity sisin-kapaotinao eto an-tanako! Ary raha ny sisin-kapaotinao, notinapako, nefa ny tenanao tsy novonoiko, dia ekeo ary zahao fa ny fitondran-tenako tsy misy ratsy na fikomiana ary tsy nanota taminao aho. Ianao kosa manenjika ny aiko hanala azy amiko!
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Jereo koa, ry mpanjakako ô! Eny, jereo fa ity an-tanako ity ny morontongotr’akanjonao. Koa raha nanapaka ny akanjonao fotsiny aho fa tsy namono nahafaty anao, dia aoka ho fantatrao fa tsy olon-dratsy na mpikomy aho, ary tsy mba nanota taminao! Ianao no manao haza lambo ahy sady mifofo ny aiko.
Malagasy Bible 1865
Ary koa, ry ikaky ô, jereo dia jereo ange ny sisin'ny kapôtinao etỳ an-tanako; fa raha nanapaka ny sisin'ny kapôtinao aho, fa tsy nahafaty anao, dia izahao ka fantaro fa tsy misy faharatsiana na fahadisoana amin'ny tanako, ary tsy nanota taminao aho, nefa ianao kosa mihaza ny aiko mba hahafaty azy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary izao koa, ry Ikaky ô! Mba jereo tsara ange ny sisin’ny akanjobenao ivelany fa etỳ an-tanako; koa raha nanapaka ny sisin’ny akanjobenao ivelany aho nefa tsy namono anao dia fantaro ka jereo fa tsy misy faharatsiana na fahadisoana amin’ny tanako, ary tsy nanota taminao aho, nefa ianao kosa dia mihaza ny aiko mba hahazo azy.
malagasy