1 Samuel 24:2 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Rehefa niverina avy nanenjika ny Filistina i Saoly dia nisy nanambara taminy hoe: Indro i Davida dia any an-tany efitr’i Eny-Gedỳ.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nony tafaverina avy nanenjika ny Filistinina i Saola dia nisy tonga nilaza taminy hoe: «Indro i Davida any an’efitr’i Engadi.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Rehefa tafaverina avy niady tamin’ny Filistinina i Saoly, dia reny fa efa any an-taniefitr’i Haîna-Gedỳ i Davida.
Malagasy Bible 1865
Ary rehefa niverina avy nanenjika ny Filistina Saoly, dia nisy nanambara taminy hoe; Indro, Davida any an-efitr'i En-jedy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Rehefa niverina avy nanenjika ny Filistina i Saoly dia nisy nanambara taminy hoe: Indro i Davida dia any an-tany efitr’i Eny-Gedỳ.
malagasy
Ary rehefa niverina avy nanenjika ny Filistina Saoly, dia nisy nanambara taminy hoe; Indro, Davida any an-efitr'i En-jedy.