1 Samuel 24:20 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa raha misy olona mahazo ny fahavalony, moa havelany handeha fotsiny amin’izao va izy? Hamaly soa anao anie NY TOMPO noho ny nataonao tamiko androany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Raha misy olona mifanena amin’ny fahavalony, moa avelany hanohy ny diany soa aman-tsara izy va? Hovalian’i Iaveh soa anie ianao, noho izay nataonao tamiko androany izay.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Raha misy olona mahatratra ny fahavalony, moa avelany handeha soa aman-tsara ve izy? Sanatria! Koa hamaly fitia anao anie ny Tompo noho izay nataonao tamiko androany.
Malagasy Bible 1865
Fa moa raha misy olona mahazo ny fahavalony, havelany handeha soa aman-tsara va izy? Koa hovalian'i Jehovah soa anie ianao noho ny nataonao tamiko androany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa raha misy olona mahazo ny fahavalony, moa havelany handeha fotsiny amin’izao va izy? Hamaly soa anao anie NY TOMPO noho ny nataonao tamiko androany.
malagasy
Fa moa raha misy olona mahazo ny fahavalony, havelany handeha soa aman-tsara va izy? Koa hovalian'i Jehovah soa anie ianao noho ny nataonao tamiko androany.