1 Samuel 24:22 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Koa ankehitriny, mianiàna amiko amin’NY TOMPO ianao fa tsy handringana ny taranako mandimby ahy, ary tsy hovonoinao amin’ny fianakavian’ny raiko ny anarako.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Koa mianiàna amiko, amin’i Iaveh, fa tsy handringana ny fara aman-dimbiko any aoriako ianao, ary tsy hamono ny anarako eo amin’ny taranaky ny raiko.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Koa mianiàna amiko amin’ny TOMPO ianao ankehitriny, fa tsy handringana ny taranako mandimby ahy ianao ary tsy hamono ny anarako tsy ho isan’ny taranaky ny raiko.
Malagasy Bible 1865
Koa mianiàna amiko amin'i Jehovah ianao ankehitriny fa tsy handringana ny taranako mandimby ahy ianao, ary tsy hovonoinao amin'ny mpianakavin'ny raiko ny anarako. Ary Davida dia nianiana tamin'i Saoly; ary dia lasa nody Saoly, fa Davida sy ny olony kosa niakatra nankany amin'ny batery fiarovana.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Koa ankehitriny, mianiàna amiko amin’NY TOMPO ianao fa tsy handringana ny taranako mandimby ahy, ary tsy hovonoinao amin’ny fianakavian’ny raiko ny anarako.
malagasy
Koa mianiàna amiko amin'i Jehovah ianao ankehitriny fa tsy handringana ny taranako mandimby ahy ianao, ary tsy hovonoinao amin'ny mpianakavin'ny raiko ny anarako.Ary Davida dia nianiana tamin'i Saoly; ary dia lasa nody Saoly, fa Davida sy ny olony kosa niakatra nankany amin'ny batery fiarovana.