1 Samuel 24:5 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hoy ny olon’i Davida taminy: Izao no andro nolazain’NY TOMPO taminao hoe: Indro, hatolotro eo an-tananao ny fahavalonao, hataonao araka izay sitrakao. Dia nitsangana i Davida ka nitsaitsaika nanapaka ny sisin’ny akanjoben’i Saoly.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary hoy ny olon’i Davida taminy: «Inty no andro nolazain’i Iaveh taminao hoe: Indro hatolotro eo an-tananao ny fahavalonao, ka ataovy izay sitrakao.» Dia nitsangana i Davida ka nanapahany antsokosoko ny sisin-kapaotin’i Saola.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia hoy ny olon’i Davida taminy: –Izao no andro voalazan’ny TOMPO taminao hoe: «Indro hatolotro eo an-tananao ny fahavalonao, ka ataovy aminy izay fantatrao fa mety.» Dia nitsangana i Davida ka nitsaitsaika nanapaka moramora ny moron-tongotr’akanjon’i Saoly.
Malagasy Bible 1865
Ary hoy ny olon'i Davida taminy: Izao no andro nolazain'i Jehovah taminao hoe: Indro, hatolotro eo an-tananao ny fahavalonao hataonao araka izay sitrakao. Dia nitsangana Davida ka nitsaitsaika nanapaka ny sisin'ny kapôtin'i Saoly.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hoy ny olon’i Davida taminy: Izao no andro nolazain’NY TOMPO taminao hoe: Indro, hatolotro eo an-tananao ny fahavalonao, hataonao araka izay sitrakao. Dia nitsangana i Davida ka nitsaitsaika nanapaka ny sisin’ny akanjoben’i Saoly.
malagasy