1 Samuel 24:7 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
ka hoy izy tamin’ny olony: Sanatria amiko eo anatrehan’NY TOMPO raha hanao izany zavatra izany amin’ny tompoko izay voahosotry NY TOMPO aho ka hanatsotra ny tanako aminy, fa voahosotry NY TOMPO izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ka hoy izy tamin’ny olony: «Hampanalavirin’i Iaveh ahy anie, ny hanao izany zavatra izany amin’ny tompoko, izay voahosotr’i Iaveh, ka hamely azy amin’ny tanako, satria izy no ilay voahosotr’i Iaveh.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Koa hoy izy tamin’ny olony: –Ho sanatriaviko ary hisakanan’ny TOMPO ahy anie ny haninji-tanana amin’ny mpanjakako, satria Izy TOMPO ihany no efa nifidy azy ho mpanjaka.
Malagasy Bible 1865
ka hoy izy tamin'ny olony: Sanatria amiko eo anatrehan'i Jehovah, raha hanao izany zavatra izany amin'ny tompoko izay voahosotr'i Jehovah ka haninjitra ny tanako aminy, fa voahosotr'i Jehovah izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
ka hoy izy tamin’ny olony: Sanatria amiko eo anatrehan’NY TOMPO raha hanao izany zavatra izany amin’ny tompoko izay voahosotry NY TOMPO aho ka hanatsotra ny tanako aminy, fa voahosotry NY TOMPO izy.
malagasy
ka hoy izy tamin'ny olony: Sanatria amiko eo anatrehan'i Jehovah, raha hanao izany zavatra izany amin'ny tompoko izay voahosotr'i Jehovah ka haninjitra ny tanako aminy, fa voahosotr'i Jehovah izy.