1 Samuel 24:8 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nandresy lahatra ny mpanompony tamin’izany teny izany i Davida ka tsy namela azy ireo hitsangana hamely an’i Saoly. Ary nitsangana i Saoly ka niala tao an-johy dia nandeha tamin’izay nalehany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Izany no nisakanan’i Davida ny olony sy tsy namelany azy hiantoraka amin’i Saola. Dia nitsangana i Saola hivoaka ny zohy, ka nanohy ny diany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Izany teny izany no nanakanan’i Davida ny olony ka tsy namelany azy ireo hamely an’i Saoly. Dia nandao ny zohy i Saoly ary nanohy ny diany.
Malagasy Bible 1865
Dia nampijanona ny mpanompony tamin'izany teny izany Davida ka tsy namela azy hitsangana hamely an'i Saoly. Ary Saoly nitsangana ka niala tao an-johy, dia nandeha tamin'izay nalehany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nandresy lahatra ny mpanompony tamin’izany teny izany i Davida ka tsy namela azy ireo hitsangana hamely an’i Saoly. Ary nitsangana i Saoly ka niala tao an-johy dia nandeha tamin’izay nalehany.
malagasy
Dia nampijanona ny mpanompony tamin'izany teny izany Davida ka tsy namela azy hitsangana hamely an'i Saoly. Ary Saoly nitsangana ka niala tao an-johy, dia nandeha tamin'izay nalehany.