1 Samuel 25:1 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary maty i Samoela. Dia nivory ny Israely rehetra ka nisaona azy sy nandevina azy tao amin’ny fonenany tao Rama. Dia niainga i Davida ka nidina nankany an-tany efitra Parana.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary maty i Samoela ka nivory i Israely rehetra dia nitomaniany izy sy naleviny tao amin’ny fonenany, any Ramà. Tamin’izany dia nitsangana i Davida ary nidina nankany an’efitr’i Faràna.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tamin’izay no maty i Samoela; ary dia nivory ny Israelita rehetra mba hiara-misaona azy. Nalevina tao amin’ny fonenany tao Ramà izy. Rehefa izany, dia lasa nankany an-taniefitr’i Paràna i Davida.
Malagasy Bible 1865
Ary maty Samoela; ary nivory ny Isiraely rehetra ka nisaona azy sy nandevina azy tao amin'ny fonenany tao Rama. Ary Davida niainga ka nidina nankany an-efitra Parana.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary maty i Samoela. Dia nivory ny Israely rehetra ka nisaona azy sy nandevina azy tao amin’ny fonenany tao Rama. Dia niainga i Davida ka nidina nankany an-tany efitra Parana.
malagasy
[Ny nahafatesan'i Samoela, ary ny amin'i Nabala sy Abigaila] Ary maty Samoela; ary nivory ny Isiraely rehetra ka nisaona azy sy nandevina azy tao amin'ny fonenany tao Rama. Ary Davida niainga ka nidina nankany an-efitra Parana.