1 Samuel 25:13 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary hoy i Davida tamin’ny olony: Samia manao ny sabatrareo eo amin’ny fehin-tsabany avy ianareo; dia samy nanao ny sabany teo amin’ny fehin-tsabany avy ny olona ary mba nanao ny sabany teo amin’ny fehin-tsabany koa i Davida. Tokony ho efajato lahy no niakatra nanaraka an’i Davida, roanjato lahy kosa no nijanona teo amin’ny entana.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ka hoy i Davida tamin’ny olony: «Samia ianareo manisy ny sabany amin’ny etrany avy.» Dia samy nanisy ny sabany tamin’ny etrany avy izy ireo, ary i Davida koa nanisy ny sabany tamin’ny etrany, ary sahabo ho efajato lahy no niaraka nanaraka an’i Davida, fa roan-jato lahy kosa nipetraka niandry ny entana.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary hoy i Davida taminy: –Fehezo avokoa ny sabatrareo! Dia samy namehy ny sabany avy ny tsirairay; ary mba namehy ny azy koa i Davida. Vatan-dehilahy tokony ho efajato no niara-niakatra tamin’i Davida, fa ny roanjato kosa nijanona teo amin’ny entana.
Malagasy Bible 1865
Ary hoy Davida tamin'ny olony: Samia manao ny sabatrareo eo amin'ny fehin-tsabany avy ianareo; ka dia samy nanao ny sabany teo amin'ny fehin-tsabany avy ny olona, ary dia mba nanao ny sabany teo amin'ny fehin-tsabany koa Davida; ary nisy tokony ho efa-jato lahy niakatra nanaraka an'i Davida, ary roan-jato lahy kosa nipetraka teo amin'ny entana.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary hoy i Davida tamin’ny olony: Samia manao ny sabatrareo eo amin’ny fehin-tsabany avy ianareo; dia samy nanao ny sabany teo amin’ny fehin-tsabany avy ny olona ary mba nanao ny sabany teo amin’ny fehin-tsabany koa i Davida. Tokony ho efajato lahy no niakatra nanaraka an’i Davida, roanjato lahy kosa no nijanona teo amin’ny entana.
malagasy