1 Samuel 25:15 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa ireo lehilahy ireo dia tena nanao soa taminay ka tsy naninon-tsy naninona izahay, ary tsy nisy zavatra very nandritra ny andro rehetra nitoeranay teo aminy fony tany an-tsaha izahay.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tsara anefa ny nataon’ireny olona ireny taminay, tsy nisy nampalahelovany anay, tsy nisy nalaina taminay nandritra ny andro rehetra niarahanay dia taminy, dieny mbola tany an-tsaha izahay.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ireo olona ireo anefa dia tena tsara tokoa taminay. tsy nisy ratsy nataony taminay ary tsy very na inona na inona izahay nandritra ny fifaneraseranay taminy, fony mbola tany an-tsaha izahay.
Malagasy Bible 1865
Fa ireo lehilahy ireo dia nanao tsara tokoa taminay, ka tsy naninona tsy naninona izahay, ary tsy nisy zavatra very tamin'izay andro nitoeranay tao aminy, fony tany an-tsaha izahay.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa ireo lehilahy ireo dia tena nanao soa taminay ka tsy naninon-tsy naninona izahay, ary tsy nisy zavatra very nandritra ny andro rehetra nitoeranay teo aminy fony tany an-tsaha izahay.
malagasy
Fa ireo lehilahy ireo dia nanao tsara tokoa taminay, ka tsy naninona tsy naninona izahay, ary tsy nisy zavatra very tamin'izay andro nitoeranay tao aminy, fony tany an-tsaha izahay.