1 Samuel 25:17 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Koa fantaro sy diniho ankehitriny izay hataonao; fa ratsy no ifofoany ny tompontsika mbamin’ny ankohonany rehetra satria izy dia tena ratsy fanahy ka tsy misy olona mahazo miteny aminy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Koa ankehitriny, fantaro sy zahao izay tokony hataonao, fa efa voafofo hasiana ratsy ny tompontsika sy ny ankohonany rehetra; raha izy tokoa dia zana-Beliala ka tsy azo iresahana».
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Koa diniho sy eritrereto tsara izay tokony hataonao, fa hianjera amin’ny tompontsika sy ny fianakaviany ny loza. Fa ratsy fanahy tokoa i Nabala iny ka tsy azo ifampiresahana akory.
Malagasy Bible 1865
Koa dia fantaro sy hevero ankehitriny izay hataonao; fa ratsy no ifofoan'ny tompontsika mbamin'ny ankohonany rehetra; fa Nabala dia tena ratsy fanahy, ka tsy misy olona mahazo miteny aminy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Koa fantaro sy diniho ankehitriny izay hataonao; fa ratsy no ifofoany ny tompontsika mbamin’ny ankohonany rehetra satria izy dia tena ratsy fanahy ka tsy misy olona mahazo miteny aminy.
malagasy
Koa dia fantaro sy hevero ankehitriny izay hataonao; fa ratsy no ifofoan'ny tompontsika mbamin'ny ankohonany rehetra; fa Nabala dia tena ratsy fanahy, ka tsy misy olona mahazo miteny aminy.