1 Samuel 25:18 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nandeha haingana i Abigaila ka naka mofo roanjato, divay roa siny hoditra, ondry dimy efa voavoatra, lango indimin’ny sea, mofo voaloboka maina zato ary mofo aviavy roanjato; dia natainginy tamin’ny boriky ireo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Niaraka tamin’izay i Abigaila dia naka mofo roan-jato, divay roa siny hoditra, ondrilahy voavoatra dimy, lango dimy vata, vaingam-boaloboka maina zato, ary vaingan’aviavy maina roan-jato, nasampiny tamin’ny ampondra ireo,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nilomay i Abigaîla naka mofo roanjato, divay roa siny hoditra, ondry dimy efa voamboatra, lango voatono 17 kilao, sampahom-boaloboka maina zato ary mofomamin’aviavy roanjato. Nakariny teo an-damosin’ireo borikiny izany,
Malagasy Bible 1865
Dia nandeha faingana Abigaila ka naka mofo roan-jato sy divay eran'ny tavoara roa sy ondry dimy voavoatra sy lango indimin'ny vata sy takela-boaloboka maina zato ary ampempan'aviavy roan-jato, dia nasampiny tamin'ny boriky izany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nandeha haingana i Abigaila ka naka mofo roanjato, divay roa siny hoditra, ondry dimy efa voavoatra, lango indimin’ny sea, mofo voaloboka maina zato ary mofo aviavy roanjato; dia natainginy tamin’ny boriky ireo.
malagasy
Dia nandeha faingana Abigaila ka naka mofo roan-jato sy divay eran'ny tavoara roa sy ondry dimy voavoatra sy lango indimin'ny vata sy takela-boaloboka maina zato ary ampempan'aviavy roan-jato, dia nasampiny tamin'ny boriky izany.[Na: siny hoditra][Heb. sea]