1 Samuel 25:19 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary hoy izy tamin’ny zatovony: Mandehana eo alohako! Indro izaho hanaraka anareo. Nefa i Nabala vadiny dia tsy mba nilazany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
dia hoy izy tamin’ireto zatovony: «Mandehana eo alohako ianareo, fa aorianareo aho manaraka». Tsy nilaza na inona na inona tamin’i Nabala vadiny anefa izy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
ka hoy izy tamin’ny mpanompony: –Mandehana eo alohako, fa harahiko ianareo. Tsy niteny na inona na inona tamin’i Nabala vadiny anefa i Abigaîla.
Malagasy Bible 1865
Ary hoy izy tamin'ny zatovony: Mandehana eo alohako, indro, izaho hanaraka anareo; nefa Nabala vadiny tsy mba nilazany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary hoy izy tamin’ny zatovony: Mandehana eo alohako! Indro izaho hanaraka anareo. Nefa i Nabala vadiny dia tsy mba nilazany.
malagasy
Ary hoy izy tamin'ny zatovony: Mandehana eo alohako, indro, izaho hanaraka anareo; nefa Nabala vadiny tsy mba nilazany.