1 Samuel 25:20 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nony nitaingina ny borikiny izy ka nidina tao amin’ilay takona amin’ny havoana dia indro, nidina nanatona azy i Davida sy ny olony ka nifanena taminy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nony nidina nitaingina ampondra tamin’ity toerana anankiray voasaron-kazo tao amin’ny tendrombohitra izy dia indro i Davida sy ny olony nidina teo an-tandrifiny koa, ka nifanena tamin’izy ireo izy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Raha nitaingina ny borikiny nidina ny toerana takon’ny havoana izy, dia indro nidina nanatona azy i Davida sy ny olony ka nifanehatra taminy.
Malagasy Bible 1865
Ary tamin'izany, nony nitaingina ny borikiny izy ka nidina tao amin'ny takon'ny havoana, dia indro, Davida sy ny olony nidina nanatona azy, ary izy nifanena taminy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nony nitaingina ny borikiny izy ka nidina tao amin’ilay takona amin’ny havoana dia indro, nidina nanatona azy i Davida sy ny olony ka nifanena taminy.
malagasy
Ary tamin'izany, nony nitaingina ny borikiny izy ka nidina tao amin'ny takon'ny havoana, dia indro, Davida sy ny olony nidina nanatona azy, ary izy nifanena taminy.