1 Samuel 25:21 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary i Davida dia nilaza hoe: Foana tokoa ny niarovako izay rehetra nananan’ilehiny tany an-tany efitra ka tsy nisy very na inona na inona, satria novalìny ratsy ny soa nataoko.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
I Davida nilaza hoe: «Sasa-poana aho niaro ny ananan’iny lehilahy iny any an’efitra, ka tsy nisy nalaina izay rehetra ananany, nefa valiany ratsy ity ny soa nataoko.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa i Davida efa niteny anakampo hoe: «Tsy misy vokany ny niarovako ny fananan’ilehiny tany an-taniefitra mba tsy hisy ho very, fa dia novaliany ratsy ny soa nataoko taminy.
Malagasy Bible 1865
Ary Davida efa nilaza hoe: Foana tokoa ny an-efitra, ka tsy nisy very na inona na inona; fa novaliany ratsy ny soa nataoko.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary i Davida dia nilaza hoe: Foana tokoa ny niarovako izay rehetra nananan’ilehiny tany an-tany efitra ka tsy nisy very na inona na inona, satria novalìny ratsy ny soa nataoko.
malagasy
Ary Davida efa nilaza hoe: Foana tokoa ny an-efitra, ka tsy nisy very na inona na inona; fa novaliany ratsy ny soa nataoko.