1 Samuel 25:22 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Mba hataon’Andriamanitra toy izany anie ny fahavalon’i Davida; eny, mihoatra noho izany aza, raha havelako hisy miangana na dia lehilahy iray aza izay mety ho azy mandra-paharain’ny andro.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hoentin’i Iaveh amin’ny ngidiny indrindra anie ny fahavalon’i Davida. Tsy hasiako miangana, rehefa mety ho an’i Nabala, mandra-pahamaraina ny andro, na dia lehilahy iray aza».
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hosazîn’Andriamanitra mafy tokoa anie aho raha toa mbola hasiako miangana na dia lehilahy iray aza amin’ny fianakavian’i Nabala, hatramin’ny rahampitso maraina!»
Malagasy Bible 1865
Mba hataon'Andriamanitra toy izany anie ny fahavalon'i Davida, eny, mihoatra noho izany aza, raha dia havelako hisy miangana na dia lehilahy iray aza izay mety ho azy ambara-pahazavan'ny andro.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Mba hataon’Andriamanitra toy izany anie ny fahavalon’i Davida; eny, mihoatra noho izany aza, raha havelako hisy miangana na dia lehilahy iray aza izay mety ho azy mandra-paharain’ny andro.
malagasy
Mba hataon'Andriamanitra toy izany anie ny fahavalon'i Davida, eny, mihoatra noho izany aza, raha dia havelako hisy miangana na dia lehilahy iray aza izay mety ho azy ambara-pahazavan'ny andro.