1 Samuel 25:23 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary rehefa nahita an’i Davida i Abigaila dia niala haingana teo ambonin’ny boriky ka niondrika teo anatrehan’i Davida sady niankohoka tamin’ny tany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Vao nahita an’i Davida i Abigaila dia nidina faingana tamin’ny ampondra, niankohoka teo anatrehan’i Davida, ary nihohoka tamin’ny tany mihitsy,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Raha vao nahita an’i Davida i Abigaîla, dia nialany faingana ny borikiny, ka niondrika teo anatrehan’i Davida izy
Malagasy Bible 1865
Ary Abigaila, raha nahita an'i Davida, dia niala faingana tamin'ny boriky ary niankohoka teo anatrehan'i Davida ka nitsaoka azy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary rehefa nahita an’i Davida i Abigaila dia niala haingana teo ambonin’ny boriky ka niondrika teo anatrehan’i Davida sady niankohoka tamin’ny tany.
malagasy
Ary Abigaila, raha nahita an'i Davida, dia niala faingana tamin'ny boriky ary niankohoka teo anatrehan'i Davida ka nitsaoka azy.