1 Samuel 25:24 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia niankohoka teo an-tongony izy ka niteny hoe: Aoka ho ahy ny heloka, tompokolahy; miangavy anao aho, avelao ny mpanompovavinao hiteny eto anatrehanao, mba henoy ny tenin’ny mpanompovavinao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
vao niantoraka teo an-tongony, nanao hoe: «Aoka ho ahy, tompoko, aoka ho ahy ny tsiny! Avelao mba hiteny eo amin’ny sofinao ity ankizivavinao; ary henoy ny tenin’ny ankizivavinao.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
ary niantoraka teo an-tongony sady nanao hoe: –Aoka, tompoko, ho ahy dia ho ahy ny fahadisoana! Fa mba avelao aho mpanomponao hiteny kely aminao, koa henoy izay holazaiko.
Malagasy Bible 1865
Dia niankohoka tamin'ny tongony izy ka nanao hoe: Aoka ho ahy dia ho ahy ity heloka ity, tompokolahy; masìna ianao, avelao ny ankizivavinao hiteny eto anatrehanao, ka henoy ny tenin'ny ankizivavinao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia niankohoka teo an-tongony izy ka niteny hoe: Aoka ho ahy ny heloka, tompokolahy; miangavy anao aho, avelao ny mpanompovavinao hiteny eto anatrehanao, mba henoy ny tenin’ny mpanompovavinao.
malagasy
Dia niankohoka tamin'ny tongony izy ka nanao hoe: Aoka ho ahy dia ho ahy ity heloka ity, tompokolahy; masìna ianao, avelao ny ankizivavinao hiteny eto anatrehanao, ka henoy ny tenin'ny ankizivavinao.