1 Samuel 25:26 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Koa ankehitriny, tompoko, raha velona koa NY TOMPO, ary raha velona koa ianao, NY TOMPO efa niaro anao tsy hahazo heloka amin’ny fandatsahan-dra ka namonjy anao; koa ny fahavalonao sy izay mitady hanisy ratsy anao, tompoko, dia avelao ho tahaka an’i Nabala.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Koa ankehitriny, tompoko, toy ny maha-velona an’i Iaveh, toy ny maha-velona ny fanahinao, dia narovan’i Iaveh tsy handatsa-dra ianao, na hamaly faty amin’ny tananao. Ary ankehitriny aoka ny fahavalonao sy izay mitady hanisy ratsy ny tompoko no hanahaka an’i Nabala.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Kanefa velona ny TOMPO ary velona koa ny ainao, ka dia Izy TOMPO mihitsy no efa niaro anao tsy handatsa-dra sy tsy haninji-tanana hamalifaty. Enga anie, tompoko, hanjo ny fahavalonao sy izay te hanisy ratsy anao ny nanjo an’i Nabala.
Malagasy Bible 1865
Koa ankehitriny, tompoko, raha velona koa Jehovah, ary raha velona koa ny fanahinao, Jehovah efa niaro anao tsy hahazo heloka amin'ny fandatsahan-drà ary tsy hamaly ho an'ny tenanao; ary avelao ny fahavalonao sy izay mitady hanisy ratsy anao, tompoko, ho tahaka an'i Nabala.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Koa ankehitriny, tompoko, raha velona koa NY TOMPO, ary raha velona koa ianao, NY TOMPO efa niaro anao tsy hahazo heloka amin’ny fandatsahan-dra ka namonjy anao; koa ny fahavalonao sy izay mitady hanisy ratsy anao, tompoko, dia avelao ho tahaka an’i Nabala.
malagasy