1 Samuel 25:28 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Miangavy anao aho, mamelà ny fahadisoan’ny mpanompovavinao, fa NY TOMPO hampaharitra ny taranaky ny tompoko tokoa; satria ny tompoko miady ny adin’NY TOMPO; tsy misy ratsy ho hita ao aminao amin’ny andronao rehetra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Avelao ny heloky ny ankizivavinao fa trano mafy orina no hataon’i Iaveh tokoa ho an’ny tompoko, satria manohana ny adin’i Iaveh ny tompoko. Ary tsy hisy ratsy ho hita ao aminao mandritra ny andro rehetra hiainanao.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Mifona aminao aho, tompoko, mba avelao re ny fahadisoan’ny mpanomponao, fa hampaharitra tokoa ny fanjakanao sy ny an’ny taranakao ny TOMPO satria ny adin’ny TOMPO no imasoanao, ary tsy hisy ratsy hanimba anao amin’ny andro rehetra iainanao.
Malagasy Bible 1865
Masìna ianao, mamelà ny fahadisoan'ny ankizivavinao, fa Jehovah hampaharitra ny taranaky ny tompoko tokoa; fa ny tompoko miady ny adin'i Jehovah, ary tsy misy ratsy ho hita aminao amin'ny andro rehetra iainanao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Miangavy anao aho, mamelà ny fahadisoan’ny mpanompovavinao, fa NY TOMPO hampaharitra ny taranaky ny tompoko tokoa; satria ny tompoko miady ny adin’NY TOMPO; tsy misy ratsy ho hita ao aminao amin’ny andronao rehetra.
malagasy