1 Samuel 25:29 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Raha misy olona mitsangana hanenjika anao ka mitady ny ainao dia hofehezina amin’ny fehin’aina ao amin’NY TOMPO Andriamanitrao ny ain’ny tompoko, fa ny ain’ny fahavalonao kosa dia hatorany toy ny eo amin’ny foitran’antsamotady.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Raha misy olona mitsangan-kanenjika anao sy hitady ny ainao: ny ain’ny tompoko ho voafehy ao amin’ny fehezan’ny velona ao amin’i Iaveh Andriamanitrao, fa ny ain’ny fahavalonao kosa ho voatsipiny eny lavitra eny, amin’ny foitran’antsamotady.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Raha misy olona milofo hanenjika anao, tompoko, ka mitady hahafaty anao, dia ny TOMPO Andriamanitrao hiaro mandrakariva ny ainao eo anilany, fa ny ain’ny fahavalonao kosa hatorany lavitra, toy ny atoraka amin’ny antsamotady.
Malagasy Bible 1865
Nefa raha misy olona mitsangana hanenjika anao ka mitady ny ainao, dia hofehezina amin'ny fehin'aina ao amin'i Jehovah Andriamanitra ny fanahin'ny tompoko, fa ny fanahin'ny fahavalonao kosa dia hatorany toy ny eo amin'ny foitran'antsamotady.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Raha misy olona mitsangana hanenjika anao ka mitady ny ainao dia hofehezina amin’ny fehin’aina ao amin’NY TOMPO Andriamanitrao ny ain’ny tompoko, fa ny ain’ny fahavalonao kosa dia hatorany toy ny eo amin’ny foitran’antsamotady.
malagasy