1 Samuel 25:34 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Kanefa, raha velona koa NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely, izay niaro ahy tsy hanisy ratsy anao, raha tsy avy haingana nitsena ahy ianao dia efa tsy nasiako niangana na dia lehilahy iray aza amin’i Nabala mandra-paharain’ny andro.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa raha tsy izany, toy ny maha-velona an’i Iaveh Andriamanitr’i Israely izay nisakana ahy tsy hanisy ratsy anao, raha tsy tonga faingana hitsena ahy ianao, dia nataoko tsy misy miangana ny an’i Nabala na lehilahy iray aza, mandra-pahazavan’ny andro».
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nefa velona ny TOMPO Andriamanitr’i Israely Izay nisakana ahy tsy hanisy ratsy anao, ka Izy no ianianako aminao fa raha tsy tonga faingana nihaona tamiko ianao, dia ho tsy nasiako niangana na dia lehilahy iray aza tamin’ny fianakavian’i Nabala rahampitso vao maraina.
Malagasy Bible 1865
Kanefa, raha velona koa Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, Izay niaro ahy tsy hanisy ratsy anao, raha tsy avy faingana hitsena ahy ianao toy izay, dia efa tsy nasiako niangana na dia lehilahy iray aza amin'i Nabala ambara-pahazavan'ny andro.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Kanefa, raha velona koa NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely, izay niaro ahy tsy hanisy ratsy anao, raha tsy avy haingana nitsena ahy ianao dia efa tsy nasiako niangana na dia lehilahy iray aza amin’i Nabala mandra-paharain’ny andro.
malagasy