1 Samuel 25:36 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia tonga tao amin’i Nabala i Abigaila; kanjo, indro izy nanao fanasana, tahaka ny fanasan’ny mpanjaka, tao an-tranony; faly ny fon’i Nabala tamin’io sady tena mamo izy, noho izany dia tsy nisy nambaran’ny vavy taminy na kely akory aza mandra-pahazava ny andro.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia nody tany amin’i Nabala i Abigaila ka inty izy nanao fanasana tao an-tranony, toy ny fanasan’ny mpanjaka, ary faly ny fon’i Nabala, ary mamo loatra izy. Tsy nilaza kely na be taminy ny vavy mandra-pahazavan’ny andro.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary i Abigaîla tonga tany amin’i Nabala izay nanao fety be tao an-tranony toy ireny amin’ny fanasan’ny mpanjaka ireny. Faly aoka izany ny fon’i Nabala, ka dia nanao mamo be izy. Noho izany, dia tsy nisy zavatra azon’i Abigaîla nambara taminy na kely aza mandra-paharainan’ny andro.
Malagasy Bible 1865
Ary Abigaila dia tonga tao amin'i Nabala; kanjo, indro, nanao fanasana tao an-tranony izy tahaka ny fanasan'ny mpanjaka, ary faly ny fon'i Nabala tamin'izany, ary mamo loatra izy, ka dia tsy nisy nambaran'ny vavy taminy, na kely na be mandra-pahazavan'ny andro.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia tonga tao amin’i Nabala i Abigaila; kanjo, indro izy nanao fanasana, tahaka ny fanasan’ny mpanjaka, tao an-tranony; faly ny fon’i Nabala tamin’io sady tena mamo izy, noho izany dia tsy nisy nambaran’ny vavy taminy na kely akory aza mandra-pahazava ny andro.
malagasy