1 Samuel 25:39 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nony ren’i Davida fa maty i Nabala dia hoy izy: Isaorana anie NY TOMPO izay niady ho ahy ka nahafa-tondro-maso ahy tamin’ny tanan’i Nabala sy niaro ny mpanompony tamin’ny ratsy. Fa ny ratsy nataon’i Nabala dia naverin’NY TOMPO ho eo an-dohany ihany. Ary nandefa iraka hiresaka amin’i Abigaila haka azy ho vady i Davida.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nony ren’i Davida fa maty i Nabala dia hoy izy: «Hisaorana anie i Iaveh izay nahafa-tondromaso ahy, tamin’ny naniratsiran’i Nabala ahy, sady niaro ny mpanompony tsy hahavita ratsy. Fa ny lohan’i Nabala ihany no nataon’i Iaveh nifoteran’ny ratsy nataony». Tatỳ aoriana, naniraka olona i Davida hilaza amin’i Abigaila ny hakany azy ho vady.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Rehefa ren’i Davida fa maty i Nabala, dia hoy izy hoe: –Hisaorana anie ny TOMPO Izay nomba ahy tamin’ny fanalam-baràka nataon’i Nabala, sy niaro ahy mpanompony tsy hanao ratsy ary nampitsingerina teo an-dohan’i Nabala ihany ny ratsy nafitsony. Rehefa izany, dia naniraka hankany amin’i Abigaîla i Davida mba haka azy ho vady.
Malagasy Bible 1865
Ary nony ren'i Davida fa maty Nabala, dia hoy izy: Isaorana anie Jehovah izay niady ho ahy ka nahafa-tondromaso ahy tamin'i Nabala sy niaro ny mpanompony tsy hahatanteraka ny ratsy; fa ny ratsy nataon'i Nabala dia nampodin'i Jehovah ho eo an-dohany ihany. Ary Davida naniraka hiresaka amin'i Abigaila hila azy ho vady.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nony ren’i Davida fa maty i Nabala dia hoy izy: Isaorana anie NY TOMPO izay niady ho ahy ka nahafa-tondro-maso ahy tamin’ny tanan’i Nabala sy niaro ny mpanompony tamin’ny ratsy. Fa ny ratsy nataon’i Nabala dia naverin’NY TOMPO ho eo an-dohany ihany. Ary nandefa iraka hiresaka amin’i Abigaila haka azy ho vady i Davida.
malagasy