1 Samuel 25:42 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary nitsangana haingana i Abigaila ka nitaingina boriky; nanaraka azy koa ny mpanompovaviny dimy; dia nanaraka ireo irak’i Davida izy ka tonga vadiny.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nitsangana niaraka tamin’izay i Abigaila nitaingina ampondra ary ny dimy tamin’ny zazavaviny nomba azy; nanaraka ny irak’i Davida izy ka dia tonga vadiny.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nitsangana faingana i Abigaîla, nitaingina ny borikiny, nombàn’ny mpanompony dimy, dia nanaraka ireo irak’i Davida, ary lasa vadiny.
Malagasy Bible 1865
Ary Abigaila nitsangana faingana ka nitaingina boriky, ary ankizivaviny dimy no nanaraka azy; dia nanaraka ny irak'i Davida izy, ka dia novadiny.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary nitsangana haingana i Abigaila ka nitaingina boriky; nanaraka azy koa ny mpanompovaviny dimy; dia nanaraka ireo irak’i Davida izy ka tonga vadiny.
malagasy
Ary Abigaila nitsangana faingana ka nitaingina boriky, ary ankizivaviny dimy no nanaraka azy; dia nanaraka ny irak'i Davida izy, ka dia novadiny.