1 Samuel 25:7 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Reko fa manety ondry ianao ankehitriny; koa ny mpiandry ondrinao, izay tao aminay, dia tsy mba nasianay ratsy, ary tsy nisy very na inona na inona tamin’ny andro rehetra nitoerany tao Karmela.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary ankehitriny reko fa mby ao aminao ny mpanety. Ary ny mpiandry ondrinao dia nitoetra tany aminay, ka tsy nisy nampalahelovanay azy, tsy nisy nalainy taminy nandritra ny andro rehetra nitoerany tany Karmela.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ren’i Davida fa fanetezam-bolon’ondry ankehitriny eto aminao. Nandritra ny fotoana rehetra naha tany Karmela ny mpiandry ondrinao izay niaraka taminay, dia tsy nisy ratsy nataonay taminy ary tsy very na inona na inona koa izy ireo.
Malagasy Bible 1865
Ary ankehitriny efa reko fa manety ondry ianao; koa ny mpiandry ondrinao, izay tao aminay, tsy nasianay ratsy, ary tsy nisy very na inona na inona tamin'ny andro rehetra nitoerany tao Karmela.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Reko fa manety ondry ianao ankehitriny; koa ny mpiandry ondrinao, izay tao aminay, dia tsy mba nasianay ratsy, ary tsy nisy very na inona na inona tamin’ny andro rehetra nitoerany tao Karmela.
malagasy
Ary ankehitriny efa reko fa manety ondry ianao; koa ny mpiandry ondrinao, izay tao aminay, tsy nasianay ratsy, ary tsy nisy very na inona na inona tamin'ny andro rehetra nitoerany tao Karmela.