1 Samuel 25:8 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Anontanio ireo zatovonao fa hilaza aminao. Koa aoka hahita fitia eo imasonao ireo zatovo fa andro fifaliana no iavianay; miangavy anao aho, mba omeo amin’izay azon’ny tananao ireto mpanomponao sy i Davida zanakao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Anontanio ny mpanomponao, fa holazainy aminao izany. Koa aoka hahita fitia eo imasonao ny zatovo lahy fa andro fifaliana izao ahatongavanay izao. Mba omeo amin’izay mety ho hitan’ny tananao, ireto mpanomponao sy i Davida zanakao.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Anontanio ny mpiandry ondrinao fa afaka hanamarina izany aminao. Koa miangavy i Davida ny hanehoanao fitiavana aminay, satria tonga amin’ny andro fety izahay. Ary mba omeo izay azonao omena ireto mpanomponao sy i Davida zanakao.»
Malagasy Bible 1865
Anontanio ny zatovonao, fa hilaza aminao izy. Koa aoka hahita fitia eo imasonao ny zatovo (fa andro fifaliana no ihavianay); masìna ianao, mba omeo amin'izay azon'ny tananao ireto mpanomponao sy Davida zanakao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Anontanio ireo zatovonao fa hilaza aminao. Koa aoka hahita fitia eo imasonao ireo zatovo fa andro fifaliana no iavianay; miangavy anao aho, mba omeo amin’izay azon’ny tananao ireto mpanomponao sy i Davida zanakao.
malagasy