1 Samuel 26:1 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tonga tao amin’i Saoly tany Gibea ny Zifita ka niteny hoe: Tsy miery any amin’ny tany be havoana any Hakila manandrify ny tany efitra va i Davida?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tonga tao amin’i Saola tany Gabaà, ny Zifeanina, ka nilaza hoe: «Miery any amin’ny havoan’i Hakilà ao atsinanan’ny tany lava volo i Davida».
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tonga tao amin’i Saoly tany Gibehà ny mponin’i Zifa, ka nanao taminy hoe: –Moa tsy fantatrao ve fa miery any amin’ny havoanan’i Hakilà, tandrifin’ny faritra be lobolobo i Davida!
Malagasy Bible 1865
Ary ny Zifita tonga tao amin'i Saoly tany Gibea ka nanao hoe: Tsy miery any amin'ny havoana Hakila manandrify ny efitra va Davida?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tonga tao amin’i Saoly tany Gibea ny Zifita ka niteny hoe: Tsy miery any amin’ny tany be havoana any Hakila manandrify ny tany efitra va i Davida?
malagasy
[Ny nilazan'ny Zifita tamin'i Saoly fanindroany izay hahazoany an'i Davida, sy ny tsy netezan'i Davida hahafaty an'i Saoly] Ary ny Zifita tonga tao amin'i Saoly tany Gibea ka nanao hoe: Tsy miery any amin'ny havoana Hakila manandrify ny efitra va Davida?