1 Samuel 26:10 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hoy koa i Davida: Raha velona koa NY TOMPO dia aoka NY TOMPO no hamely azy, na ho tonga ny androny ka ho faty izy, na hirotsaka ho amin’ny ady izy ka any no hahalavo azy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary hoy i Davida: «Marina fa velona i Iaveh, koa dia i Iaveh ihany no hamely azy, na ho tapitra andro izy ka maty, na hirotsaka amin’ny ady izy ka maty;
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Velona ny TOMPO ka milaza marina aminao aho fa ny TOMPO irery ihany no hanapitra ny androny, na amin’ny fahafatesana tsotra izany, na vokatry ny ady.
Malagasy Bible 1865
Ary hoy koa Davida: Raha velona koa Jehovah, dia aoka Jehovah no hamely azy; na ho tonga ny androny, ka ho faty izy; na hirotsaka ho amin'ny ady izy, ka any no hahafaty azy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hoy koa i Davida: Raha velona koa NY TOMPO dia aoka NY TOMPO no hamely azy, na ho tonga ny androny ka ho faty izy, na hirotsaka ho amin’ny ady izy ka any no hahalavo azy.
malagasy
Ary hoy koa Davida: Raha velona koa Jehovah, dia aoka Jehovah no hamely azy; na ho tonga ny androny, ka ho faty izy; na hirotsaka ho amin'ny ady izy, ka any no hahafaty azy.