1 Samuel 26:12 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nalain’i Davida ny lefona sy ny tavoara fitondran-drano izay teo anilan’ny lohan’i Saoly ka lasa izy; ary tsy nisy olona nahita, na nahalala, na nifoha; natory mantsy izy rehetra satria nataon’NY TOMPO renoky ny torimaso.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia nalain’i Davida ny lefona sy ny siny fitoeran-drano teo anilan’ny ondan’i Saola, dia nandeha izy ireo. Tsy nisy olona nahita azy, tsy nisy nahalala, tsy nisy nahatsiaro, fa natory daholo izy rehetra, fa nandatsahan’i Iaveh torimaso nandrenoka azy izy ireo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nalain’i Davida ny lefona sy ny siny teo akaikin’ny lohan’i Saoly, dia lasa izy ireo. Tsy nisy olona nahatsiaro ka nahita na nahafantatra; fa natory ny besinimaro, satria nahasondrian-tory azy ireo ny TOMPO.
Malagasy Bible 1865
Dia nalain'i Davida ny lefona sy ny tavoara izay teo anilan'ny lohan'i Saoly ka dia lasa izy, ary tsy nisy olona nahita, na nahalala, na nahatsiaro; fa natory izy rehetra, satria nataon'i Jehovah renoky ny torimaso izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nalain’i Davida ny lefona sy ny tavoara fitondran-drano izay teo anilan’ny lohan’i Saoly ka lasa izy; ary tsy nisy olona nahita, na nahalala, na nifoha; natory mantsy izy rehetra satria nataon’NY TOMPO renoky ny torimaso.
malagasy