1 Samuel 26:14 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
ary niantso ny olona sy i Abnera, zanak’i Nera i Davida hoe: Tsy mamaly va ianao, ry Abnera? Dia namaly i Abnera hoe: Iza moa ianao no miantsoantso ho ren’ny mpanjaka?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary i Davida niantso ny vahoaka sy i Abnera zanak’i Nera nanao hoe: «Tsy hamaly va ianao, ry Abnera?» Dia hoy i Abnera namaly: «Zovy moa ianao, miantso atỳ amin’ny mpanjaka?»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia niantso ny tafika sy i Abinera zanakalahin’i Nera i Davida hoe: –Ry Abinera! Mandre ahy ve ianao? Fa novalian’i Abinera hoe: –Zovy moa izao miantsoantso mankarenina ny sofin’ny mpanjaka izao?
Malagasy Bible 1865
ary Davida niantso ny olona sy Abnera, zanak'i Nera, hoe: Tsy mamaly va ianao, ry Abnera? Ary Abnera dia namaly hoe: Iza moa ianao, no miantso ho re eto anatrehan'ny mpanjaka?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
ary niantso ny olona sy i Abnera, zanak’i Nera i Davida hoe: Tsy mamaly va ianao, ry Abnera? Dia namaly i Abnera hoe: Iza moa ianao no miantsoantso ho ren’ny mpanjaka?
malagasy
ary Davida niantso ny olona sy Abnera, zanak'i Nera, hoe: Tsy mamaly va ianao, ry Abnera? Ary Abnera dia namaly hoe: Iza moa ianao, no miantso ho re eto anatrehan'ny mpanjaka?