1 Samuel 26:16 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tsy tsara izany nataonao izany. Raha velona koa NY TOMPO dia tokony ho faty ianareo, satria tsy miambina ny tomponareo, ilay voahosotry NY TOMPO. Jereo ange, aiza ny lefon’ny mpanjaka sy ny tavoara fitondran-drano teo anilan’ny lohany?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tsy mety mihitsy izany nataonao izany. Fa marina tokoa fa velona i Iaveh, koa dia ny maty no tandrify anao, satria ianareo tsy niambina ny tomponareo, ilay voahosotr’i Iaveh. Jereo ange izao: nankaiza àry ny lefon’ny mpanjaka, sy ny siny fitoeran-drano, teo anilan’ny ondany?»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Velona ny TOMPO, ka hizingiziniko fa ratsy izany nataonao izany. Mendrika ny ho faty ianareo rehetra satria tsy niambina ny tomponareo, dia ilay voahosotry ny TOMPO. Jereo ange: aiza ireo lefona sy siny fitoeran-drano teo akaikin’ny lohan’ny mpanjaka?
Malagasy Bible 1865
Tsy mety izany nataonao izany. Raha velona koa Jehovah, dia tokony ho faty ianareo, satria tsy miambina ny tomponareo, ilay voahosotr'i Jehovah Ary izahao ange, fa aiza moa ny lefon'ny mpanjaka sy ny tavoara fitondran-drano teo anilan'ny lohany?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tsy tsara izany nataonao izany. Raha velona koa NY TOMPO dia tokony ho faty ianareo, satria tsy miambina ny tomponareo, ilay voahosotry NY TOMPO. Jereo ange, aiza ny lefon’ny mpanjaka sy ny tavoara fitondran-drano teo anilan’ny lohany?
malagasy