1 Samuel 26:19 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Koa ankehitriny, miangavy anao aho, ry mpanjaka tompoko, mihainoa ny tenin’ny mpanomponao: Raha NY TOMPO no nanesika anao hamely ahy dia aoka handray ny hanitry ny fanatitra Izy; fa raha zanak’olombelona kosa dia aoka ho voaozona eo anatrehan’NY TOMPO izy, satria efa nandroaka ahy tsy hanana anjara amin’ny lova nomen’NY TOMPO izy androany ka niteny hoe: Mandehana, manompoa andriamanitra hafa.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ho sitraky ny mpanjaka tompoko anie ankehitriny ny hihaino ny tenin’ny mpanompony: Raha i Iaveh no nanesika anao hamely ahy, aoka hankasitrahiny ny hanitry ny fanatitra anankiray; fa raha olombelona kosa, aoka ho voaozona eo anatrehan’i Iaveh izy, satria efa nandroaka ahy izy izao, mba hanesotra amiko ny anjara-toerako amin’ny lovan’i Iaveh, nanao hoe: Mandehana manompo andriamani-kafa.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary ankehitriny, aoka ianao, ry mpanjaka tompoko, hihaino izay holazaiko aminao: raha ny TOMPO no manosika anao hanao izany amiko, aoka hampitony Azy ny sorona aterina aminy; fa raha olombelona kosa, dia aoka ho voaozona eo anatrehan’ny TOMPO izy satria efa nandroaka ahy androany tsy hanana anjara amin’ny tany nomen’ny TOMPO ka toy ny manao amiko hoe: «Mandehana manompo andriamani-kafa.»
Malagasy Bible 1865
Ary ankehitriny masìna ianao, ry mpanjaka tompoko, mihainoa ny tenin'ny mpanomponao. Raha Jehovah no nanesika anao hamely ahy, dia aoka handray fanatitra mani-pofona Izy; fa raha zanak'olona kosa, dia aoka ho voaozona eo anatrehan'i Jehovah izy, satria efa nandroaka ahy androany tsy hanana anjara amin'ny lova nomen'i Jehovah izy ka nanao hoe: Mandehana, manompoa andriamani-kafa.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Koa ankehitriny, miangavy anao aho, ry mpanjaka tompoko, mihainoa ny tenin’ny mpanomponao: Raha NY TOMPO no nanesika anao hamely ahy dia aoka handray ny hanitry ny fanatitra Izy; fa raha zanak’olombelona kosa dia aoka ho voaozona eo anatrehan’NY TOMPO izy, satria efa nandroaka ahy tsy hanana anjara amin’ny lova nomen’NY TOMPO izy androany ka niteny hoe: Mandehana, manompoa andriamanitra hafa.
malagasy