1 Samuel 26:21 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary hoy i Saoly: Efa nanota aho! Miverena, ry Davida zanako, fa tsy hanisy ratsy anao intsony aho, fa sarobidy teo imasonao ny aiko androany; indro, efa nanao zavatra tsy tamim-piheverana aho ka tena diso.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia hoy i Saola: «Nanota aho, miverena re, ry Davida zanako, fa tsy hanisy ratsy anao intsony aho, satria sarobidy teo imasonao ny aiko androany. Nanao toy ny adala aho, ka nahavita ratsy lehibe».
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hoy kosa i Saoly hoe: –Nanota tokoa aho, koa miverena, ry Davida zanako; fa tsy hanisy ratsy anao intsony aho, satria sarobidy taminao ny aiko androany. Nitondra tena toy ny adala aho, ka mahatsiaro ho diso tokoa.
Malagasy Bible 1865
Ary hoy Saoly: Efa nanota aho: miverena, ry Davida zanako, fa tsy hanisy ratsy anao intsony aho, fa soa teo imasonao ny aiko androany; indro, efa nanao adala aho ka diso indrindra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)

malagasy
Ary hoy Saoly: Efa nanota aho: miverena, ry Davida zanako, fa tsy hanisy ratsy anao intsony aho, fa soa teo imasonao ny aiko androany; indro, efa nanao adala aho ka diso indrindra.