1 Samuel 26:25 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary hoy i Saoly tamin’i Davida: Hotahina anie ianao, ry Davida zanako; na inona na inona ataonao dia ho tontosanao tokoa. Dia nanohy ny lalany i Davida fa i Saoly kosa dia nitodi-doha niverina nody.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia hoy i Saola tamin’i Davida: «Hambinina anie ianao, ry Davida zanako. Marina fa ho vanona tsara ny raharaha iandraiketanao». Dia nanohy ny diany i Davida; ary i Saola nody any aminy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary hoy i Saoly tamin’i Davida: – Hitahy anao anie ny Tompo, ry Davida zanako! Eny, hahomby avokoa ny zava-dehibe izay hataonao. Dia lasa nanohy ny diany i Davida, fa i Saoly kosa niverina nody.
Malagasy Bible 1865
Ary hoy Saoly tamin'i Davida: Hotahina anie ianao, ry Davida zanako; hanao dia hanao ianao sady hahatontosa. Dia lasa Davida, fa Saoly kosa nitodi-doha hiverina.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary hoy i Saoly tamin’i Davida: Hotahina anie ianao, ry Davida zanako; na inona na inona ataonao dia ho tontosanao tokoa. Dia nanohy ny lalany i Davida fa i Saoly kosa dia nitodi-doha niverina nody.
malagasy
Ary hoy Saoly tamin'i Davida: Hotahina anie ianao, ry Davida zanako; hanao dia hanao ianao sady hahatontosa. Dia lasa Davida, fa Saoly kosa nitodi-doha hiverina.